Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Atsinanana sy Amoron’i Mania

?ATSINANANA: Ho fampisongadinana ireo mpandraharaha vao misondrotra ao Toamasina mba hahafahan’izy ireo miseho sehatra sy mampiseho ny vokatra izay vokariny ary ny fahaiza-manaon’izy ireo ny « TOAM’KETRIKA » andiany faha-4. Notanterahina ny 28 ka hatramin’ny 30 Septambra 2023, teo amin’ny kianja malalaky ny Kaominina Toamasina renivohitra ny izany. Nandray anjara tamin’ity Tsenabe ara-toekarena karakarain’ny ONG St GABRIEL sy ny La fabrique des entrepreneurs ity ny DRICC Atsinanana. Teo amin’ny trano heva no nampirantiany ny servisy atolony ny vahoakan’ny faritra Atsinanana.
?AMORON’I MANIA: Nomena fiofanana ireo mpikambana ao amin’ny Kaoperativa KOMIMA (Kaoperativa Miara-Manonga) izay misehatra amin’ny fambolena voanjo donga mena any Midongy Andrefana, Kaominina Amboropotsy Mandrosonoro any amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana. Ny Alakamisy 28 Septambra 2023 tao amin’ny biraon’ny DRICC Amoron’i Mania no nanatanterahana izany. Nampahafantarana azy ireo ny atao hoe kaoperativa sy ny fomba fiainana ao anaty kaoperativa ary ny fitantanam-bola amin’ny fomba tsotra.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...