Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Boeny, Vakinankaratra sy Analamanga

? Nanomboka midina ny vidin’ny vary eny an-tsena, ao amin’ny tanànan’ny Mahajanga ao amin’ny faritra Boeny. Tsy mihoatra ny 750ar ny kapoaka, misy ny 650ar.

Miparitaka eny an-tsena ny vary vao, ao anatin’ny fararano ny tantsaha.

Any Maevatanana 650ar ary any Marovoay kosa 750ar ny vidin’ny vary ao an-toerana.

? Miha mari-toerana ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro ao Vakinankaratra sy eto Analamanga. Nanao fisafoana tao Alakamisy Fenoarivo ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana eto Analamanga, tsikaritra fa manomboka miakatra eto Analamanga ny vokatra avy any Itasy sy Bongolava. Manodidina ny 750ar sy 950ar ny kapoaka ny vary avy eto an-toerana.

? Nandritra ny fotoana nanaovana fitsirahana tany Boeny, Vakinankaratra ary Analamanga no nahatsapana fa miha midina ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...