Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Atsimo andrefana ary Bongolava

Mitombo isa hatrany ireo tantsaha resy lahatra amin’ny fananganana kaoperativa any amin’ny faritra
?ITASY: Kaoperativa miisa 7 no tafatsangan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy ny Talata 12 Aogositra 2024 tany amin’ny kaominina Zoma Bealoka, distrikan’Arivonimamo. Ny Kaoperativa VONONA, SANDRATRA, MIHARISOA, AINA VAO, FIAVOTANA, MANDROSO sy VONONA ZB ireo. Nanamarika ny herinandron’ny 05 Aogositra kosa ny fijoroan’ny kaoperativa 3 ao amin’ny distrikan’Arivonimamo sy Miarinarivo. Misehatra amin’ny asa tanana vita amin’ny tandrok’omby ny Kaoperativa ART CORNE ao Imerintsiatosika izay ahitana tanora mpikambana 35 mianadahy raha misahana fiompiana akoho manatody lava kosa ny Kaoperativa RAITRA sy MIARINA ao amin’ny kaominina Manazary.
?ATSIMO ANDREFANA: Nomena fampihofanana ireo mpikambana ao amin’ny orinasa kaoperativa 3 vao nitsangana any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambahikily, distrikan’i Morombe ny Zoma 16 Aogositra 2024 teo. Misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana moa ireo kaoperativa ireo. Tao amin’ny efitrano malalaky ny CCI ao Toliara no nanatanterahana ny fiofanana. Nohararaotina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fampahafantarana ny Taninketsa indostrialy (ODOF) any amin’ny Faritra Atsimo andrefana .
?BONGOLAVA: Sambany teo amin’ny tantaran’i Bongolava no nisy kaoperativa mpamokatra vokatra malagasy vita avy amin’ny ronono toy ny yaourt, dibera, fromazy nitsangana. Mifototra amin’ny fambolena vilona sy fiompiana omby vavy be ronono ity kaoperativa. Niarahan’ny DRIC Bongolava, ny MDB (Malagasy Dairy Board) sy ny FDA nanatontosa ny fanorenana ny Kaoperativa TSIRO PLUS’’.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...