Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, Androy ary Amoron’i Mania

vaovao-misongadina

?VAKINANKARATRA: Nifanatrika tamin’ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’Antsirabe II ireo Talem-paritra any Vakinankaratra ny Alarobia 25 Avrily 2024. Efa fanao ao anatin’ny Faritra moa ny rodobe fidinana ifotony ataon’ny tompon’andraikitra toy izay hamaliana ny fanontanina sy ny hetahetan’ireo Ben’ny tanàna. Anisan’ny nitondra fanazavana tamin’ireo olom-boafidy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC).
?ANDROY: Nojerena manokana ny seha-pihariana voanjo any amin’ny distrikan’i Bekily. Nisy ny fidinana tany an-toerana izay niarahana tamin’ny PTF GIZ Prada nanangonan-kevitra teo amin’ny mpisehatra voanjo. Nampahafantarina azy ireo fa hisy ny fanofanana ka ny GIZ no hanampy ny mpamboly mpamokatra ary ny mpandraharaha kosa no handray ny vokatra mba hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny fomba fivarotana voanjo na ato anatiny na any ivelany.
?AMORON’I MANIA: Hanomboka hiasa any amn’ny faritra Amoron’i Mania ny ONG GRET, mpamokatra angovo azo havaozina na herin’aratra avy amin’ny tohadrano, masoandro entina hanatsarana ny velontena ho an’ny mponina. Voakasik’izao tetik’asa izao ny kaominina Ivony (kaominina mifanila amin’ny kaominina Andina) sy Ambalamanakana. Nisy ny Atrikasa fampahafantarana notanterahana tany Ambositra ny 18 Avrily 2024. Notsindrian’ny DRIC Amoron’i Mania tamin’ireo mpandray anjara fa ny herin’aratra sy ny rano no anisan’ny fototra ahafahana mampihodina ny indostria izay anisan’ireo andrin’ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenana.

Vous aimerez aussi...