Varotra ivelany

Nampahafantarina ireo mpandraharaha mpividy (acheteurs) avy ao Kanada sy Afrika Atsimo ny mikasika ny fanondranana sy ny fampiasam-bola ary ny varotra eto Madagasikara.

Novoaboasan’ny solontena avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra ivelany (DCE) eto amin’ny MIC nandritra ity fihaonana ny Talata 28 Mey 2024 ity ny fepetra sy torolalana ary ireo atontan-taratasy rehetra ilaina mikasika ny fanondranana entana avy eto Madagasikara mankany ivelany. Nandray anjara tamin’izany ireo mpandraharaha mpividy avy ao Kanada sy Afrika Atsimo, ireo mpandraharaha malagasy, ny avy eto amin’ny MIC, ny avy ao amin’ny EDBM ary ny solontenan’ny ladoany.
Nanentana indrindra koa isika Malagasy ny hanjifan’ireo mpandraharaha kanadianina ny vokatra eto Madagasikara. Novelabelarin’ny EDBM tamin’ireto mpandraharaha ireto ny toetran’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara hisarihana azy ireo ho tonga hampiasa vola eto an-toerana. Nilaza ireo fombafomba sy fepetra tsy maintsy arahina eo amin’ny fanondranana entana mankany ivelany kosa ny teo anivon’ny Faditseranana. Namaranana ny fihaonana ny fanazavana nentin’ny solontena avy amin’ny tetik’asa “Pôles Intégrés de Croissance” na PIC sy ny fisitrahana fanohanana avy amin’izany tetik’asa izany.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...