๐—™๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐——๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ ๐—ฅ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—™๐—œ๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—š๐—” ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ปโ€™๐—ถ ๐—๐—ฎ๐—ฝ๐—ผ๐—ป ๐—”๐—•๐—˜ ๐—ž๐—ผ๐—ท๐—ถ ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ ๐—ท๐—ฎ๐—ฝ๐—ผ๐—ป๐—ฒ๐˜† ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ

Noraisinโ€™ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy aminโ€™ny birao fiasany Ambohidahy, androany Talata 17 Septambra 2024, ny Ambasadaoronโ€™i Japon miasa eto Madagasikara sy Comores, ABE Koji. Fotoana izay namariparitanโ€™ny roa tonta ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ny fampiroboroboana ny indostria izay andry faharoanโ€™ny fampandrosoana any Madagasikara araka ny Politika ankapobenโ€™ny Fanjakana, ny varotra ary ny fifandraisana aminโ€™ny sehatra tsy miankina.
Nambaranโ€™ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA fa nanohina azy ny fahitana ny elanelana misy raha tarafina aminโ€™ny fandrosoanโ€™i Indonรฉsie sy i Chine izay vao notsidihany tsy ela akory izay. ยซ Rehefa mahatsapa fa tratra aoriana dia tsy maintsy miasa sy mijery vahaolana na misy aza ny fahasahiranana ยป, hoy izy taminโ€™ny Ambasadaoro japoney.
Resy lahatra ny Minisitra fa tsy maintsy hamafisina ny fifampitokisana hahasarika ireo mpampiasa vola ho avy eto amintsika. ยซ Mila manazava, mitondra valin-teny, mifanakalo hevitra araka izay tratra ary mametraka mazava ny fitsipika manoloana ireo Lalร na samihafa izay misy ยป, hoy ihany izy. Nisarika ny sainโ€™ny japoney moa izy ho liana aminโ€™ny sehatry ny sakafo mifototra aminโ€™ny vokatry ny fambolena ahafahana manatratra ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo.
Naneho ny fahavononany avy hatrany hanampy anโ€™i Madagasikara ny Ambasadaoronโ€™i Japon raha nilaza fa handresy lahatra anโ€™ireo orinasa japoney efa miasa aty Afrika izy ho tonga eto Madagasikara. Atsy Afrika Atsimo sy Kenya moa no tena mahasarika ny ankamaroanโ€™ireo mpampiasa vola japoney ireo.
Anisanโ€™ny manintona ny mpandraharaha japoney eto Madagasikara aminโ€™izao fotoana izao ny kakao any Ambanja.

Vous aimerez aussi...