๐—™๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐——๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ ๐—ฅ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—™๐—œ๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—š๐—” ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฆ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ข๐—ก๐—จ๐——๐—œ ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐—ท๐—ฒ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—น๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ผ๐˜€๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ.

Noraisinโ€™ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy Ambohidahy ny Solontena maharitry ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria (ONUDI) Volatiana RAKOTONDRAZAFY. Fihaonana namariparitanโ€™ny roa tonta ny tetikasa azo tanterahana hidirana lalindalina kokoa aminโ€™ny fiaraha-miasa mba hisy fiantraikany eo aminโ€™ny vahoaka.

Ankoatry ny fanohanana mivantana ny fampiroboroboana ny indostria dia anisanโ€™ny voaresaka taminโ€™izany ny tetikโ€™asa fanodinana ny fako avy aminโ€™ny indostria hahazoana ethanol na hahazoana angovo, ny tantsoroka aminโ€™ny fampiroboroboana ny fandraharahana, ny fampanarahana fenitra ny asa eny anivonโ€™ny indostria ho antoka aminโ€™ny fidiranโ€™ny vokatry ny indostria eto Madagasikara eo aminโ€™ny tsena iraisam-pirenena.
โ€œAminโ€™ny fampiroboroboana ny indostria dia mila ny rehetra mihitsy ahoโ€, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA taminโ€™ny Solontena maharitry ny ONUDI. Hisokatra aminโ€™ireo minisitera hafa ny fiaraha-miasa satria ilaina aminโ€™ny fampiroboroboana ny indostria ny akora, ny angovo, ny fotodrafitrโ€™asa na ny fitaterana.
Nankasitrahanโ€™ny Minisitra ny fanohanana efa nataonโ€™ny ONUDI taminโ€™ny fametrahana ireo orinasa mpamokatra siramamy roa any Antanamifafy, Faritra Boeny sy any Mahatalaky, Faritra Anosy.
Naneho fahavononana hiara-hientana aminโ€™ny Minisiteranโ€™ny Fampiroboroboana ny indostria ny Solontena maharitry ny ONUDI sy ny mpiara-miasa aminy tonga tetsy Ambohidahy.

Vous aimerez aussi...