𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗨𝗡𝗙𝗣𝗔 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗻𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮

Ny Solontenan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mponina (UNFPA) eto Madagasikara, Josiane YAGUIBOU indray no noraisin’ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA tetsy Ambohidahy, nitsidika ara-pomba fifanajana. Fotoana koa nifampizaràn’ny roa tonta vaovao hanohizana ny fiaraha-miasa.

Nampahatsiahivin’ny Solontenan’ny UNFPA fa efa misy ny Drafi-piaraha-miasa lasitra vita Sonia ka anatin’ny taona voalohany amin’ny fanatanterahana izany isika amin’izao fotoana izao. Nambarany fa manan-danja tokoa ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE). “Hanampy anareo izahay”, hoy izy.
Novelabelarin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ny vahiny ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika momba ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. “Anatin’izany tondrozotra izany ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory). Fa misy koa ny indostria antonontoniny sy ny tena lehibe”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA.
Momba ny varotra dia nilaza ny Minisitra fa andraikitry ny MIC ny manao tantsoroka ny sehatra tsy miankina hidirany any amin’ireo tsena samihafa aty amin’ny faritra misy antsika. Tsy maintsy iomanana ny fenitra sy ny kalitao ary ny fenitra ara-pahasalamana.
Nangatahan’ny Solontenan’ny UNFPA ny hanomezana lanja bebe kokoa sy hanohanana hatrany ny vehivavy mpandraharaha. Efa mizotra amin’izay lalan-tsaina izay moa ny Minisitera amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE).

Vous aimerez aussi...