๐๐ถ๐๐๐ถ๐ฑ๐ถ๐ต๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฎ๐๐ถ๐ฑ ๐ฅ๐๐๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฅ๐๐ก๐๐ ๐๐ฎ๐ป๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ข๐๐ถ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ ๐ข๐จ๐๐ฆ๐ง ๐ฆ๐จ๐๐ฅ๐ ๐๐ข๐ ๐ฃ๐๐๐ก๐ง ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ฆ๐๐๐ฅ ๐ก๐ฎ๐บ๐ฎ๐ธ๐ถ๐ฎ ๐ป๐ถ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ผ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐บ๐ฎ๐บ๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ป-๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ
Vinavinaina ny hananganana fotodrafitrasa hanakanana ny rano tsy hihoatra (digue de protection) amin’ny toerana manakaiky ny vavaranon’i Mahavavy rehefa naravona ny dinika tamin’ireo teknisiana sy fikambanan’ny mpamboly ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa mpamokatra siramamy ao Namakia. Anton-dianโny Minisitra David RALAMBOFIRINGA tany an-toerana, taorianโny fidinany tany aminโny SUCOMA Ambilobe ny fitadiavana vahaolana malaky ho fiarovana ireo voly fary sy vary any Namakia izay tandindomin-doza noho ny fahavakisanโny barazy rehefa fotoananโny rotsakโorana. Efa namela takaitra tamin’ny lanjan’ny vokatra izay nijotso moa izany teo aloha ka atao izay tsy hiverenan’izany indray.
Nahatratra 200 000 taonina ny vokatra fary taminโity taoana ity raha eo amin’ny 23 000 taonina eo ny siramamy voaodina. Nisy fihenana izany noho ny rotsakโorana nameno fasika ireo tanimboly sy noho ny fomba fambolena tsy nisy fanolokoloana. Efa manatsara ny teknikam-pambolena anefa ny eo anivon’ny orinasa ahafahana mampitombo ny vokatra amin’ny taona 2025.
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ozinina mpanodina fary ny fidinanโny Minisitry ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tany Namakia ary nofaranana tamin’ny dinika taminโny Tale jeneralinโny orinasa niresahana ireo vahaolana ho anโny orinasa sy ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa.
Nanome toromarika ny Minisitra hanarahanโny eo anivonโny Gouvernorat sy ny ekipanโny Fitaleavam-paritra (DRIC) Boeny ary ireo teknisiana maso akaiky ny fizotry ny asa fampandrosoana any an-toerana. Niara-dia taminy taminโizay fidinana tany Namakia izao ny Tale jeneralinโny Fambolena eo anivonโny Minisiteranโny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), ny Tale jeneralinโny CMCS na ny Foibe malagasy momba ny fary sy ny siramamy ary ny Tale jeneralinโny SIRAMA. Natrehin’ireo manampahefana izay nahitana ny Governora, Prefenโi Mahajanga ary ny Talem-paritra (DRIC) Boeny sy ny mpiara-miasa aminy izany.