05 septambra 2024 – FOCAC 2024

Nandray anjara tamin’ny dinika an-databatra boribory momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Sina ihany koa ny Filohan’ny Repoblika teo an-kilan’ny FOCAC 2024. Nokarakarain’ny « Chambre de Commerce Chine – Afrique » sy ny orinasan-gazety « Le Quotidien du peuple » manokana ity dinika ity ary natao hampahafantarana an’i Madagasikara amin’ireo mpandraharaha sinoa. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa misokatra ho an’ireo mpamatsy vola sinoa ireo seha-pamokarana eto Madagasikara indrindra ny fampiroboroboana ny indostria, ny fambolena, ny fizahan-tany sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Nitondra vokany avy hatrany moa izany fihaonana izany satria drafi-pifanaraham-piaraha-miasa miisa efatra no nosoniavina: momba ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany, ny fametrahana ny ZES eto Madagasikara, ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny teknika fambolena maoderina

Vous aimerez aussi...