Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Sofia, Menabe sy Vakinankaratra

?SOFIA: Efa mandeha ny tsenan-davanila maitso any amin’ny Faritra Sofia. Tamin’ny Sabotsy 21 Mey 2022 teo no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Fokontany Anjiabory Ankaramy Be ao amin’ny distrikan’Analalava. Fotoana natrehin’ny olom-boafidy sy manampahefana any an-toerana, ny Filankevi-paritry ny lavanila (CRV) Sofia sy ny DRICC. Ny Sahanala no nisantatra ny fividianana lavanila maitso any Sofia ary voahaja ny 75000Ar, vidy farany ambany ivarotana ny iray kilao.
?MENABE: Ny fanesorana eny an-tsena ny sira tsy misy ioda no tanjona amin’ny fanaraha-maso ataony eny an-tsena. Ny Zoma sy Sabotsy tamin’ny herinandro lasa iny ny i-team no nidina teny amin’ireo mpivarotra ao an-tsenan’i Bemanonga sy Analaiva. Ekipa ahitana ny avy amin’ny DRICC Menabe, ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ofisim-paritra momba ny sakafo no nanao ny fisafoana.
?VAKINANKARATRA: Kaoperativa roa no nomena fiofanana. Tao amin’ilay orinasa mpanao fromazy mpandray ny vokatry ny Kaoperativa Tsara Ronono no nisitraka izany ireo mpikambana ny 18 sy 19 Mey 2022. Mpamokatra ronono, mpamboly sy mpiompy moa izy ireo. Ny 20 Mey 2022 kosa no niofana momba ny fitantanana kaoperativa ireo mpikambana 18 ao amin’ny Kaoperativa Mamafitia izay miorina any Betafo. Misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana voatabia ho vokatra anaty boaty ireto farany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...