Famatsiana any amin’ny faritra menabe: Novorian’ny DRICC ireo mpivarotra mpamongady sy mpanangom-bokatra hametrahana ny lamina hitsinjovana ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra

Efa mitsinjo ny fotoam-pahavaratra izay mahasarotra ny famatsiana ny mponina ny any amin’ny DRICC Menabe. Ireo mpivarotra mpamongady ao an-drenivohitr’i Morondava no novoriany ny Zoma 18 Novambra 2022 lasa teo handrindrana izany.
Nanentana ireo mpandraharana ny Talem-paritra (DRICC) mba anangonan’izy ireo tahiry ahafana miatrika io vanim-potoana io, anaovan’izy ireo fanambarana tahiry (déclaration de stock) araka ny voalazan’ny Lalàna mifehy ny fifaninana ara-barotra, ijerena manokana ny famatsiana ireo distrika saro-dalana toa an’ny Belo/Tsiribihina sy Manja.
Nampahatsiahiviny fa tsy tokony hisy ny fanararaotana hampiakarana mihompapana ny vidin’entana sy ny fanafenana entana amin’ny fotoana mety ampitongilana ny tolotra sy ny tinady.
Androany Talata 22 Novambra 2002 moa dia namory ireo mpanangom-bokatra indray ny DRICC Menabe miaraka amin’ny Prefen’i Morondava sy ny Governoran’ny Faritra Menabe ho fanohizana ny hetsika.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...