Fiarovana ny mpanjifa: Karazan’entana lany daty milanja manodidina ny 200kg nodorana tany Antsohihy

Nahazoam-bokatra ny fidinana nataon’ny DRICC Sofia teny amin’ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara ao an-tanànan’Antsohihy ny Alakamisy, Zoma ary Alatsinainy lasa teo. Entana lany daty toy ny bisky, fromazy, ronono, kojakoja fanatsarana tarehy sy loko no tratra tany amin’izy ireo. Milanja eo ho eo amiin’ny 200kg eo ireo entana ireo.
Araka ny fomba fanao dia nodorana avy hatrany ireo entana lany daty ny Talata 20 Desambra 2022. Niatrika izany ny avy amin’ny distrika sy ny kaominina ambonivohitra Antsohihy ary ny avy amin’ny Faritra.
Tsy ela akory izay tany Mandritsara dia niroso tamin’ny fanapotehana entana lany daty toy izao koa ny DRICC Sofia.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...