Varotra Ivelany : Atomboka ny Tetik’asa PADEIR

Hanampiana ny sehatra tsy miankina mba hahafahan’izy ireo mampitombo ny vokatra aondrana any ivelany ny Tetik’asa PADEIR (Fandaharan’asa fanohanana ny fampandrosoana ny fanondranana sy ny fampidirana isam-paritra). Izany dia ho fampandrosoana ny toe-karena ary hanampiana koa an’i Madagasikara mba hahafahany mampandroso ny varotra ivelany sy misitraka bebe kokoa ny Fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena (APE).

Omaly Alarobia 11 Janoary 2023 no notanterahana teny amin’ny toeram-pivoriana MICC Anosy ny fivoriana hanombohana ny Tetik’asa PADEIR izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola. Nitarika izany ny solontenan’ny MICC tamin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra ivelany. Nandray anjara kosa ny solontenan’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, ny solontena avy ao amin’ny Minisiteran’ny vola na ny BACE sy ireo solontena avy amin’ny ministera maro misitraka io tetik’asa io sy ny sehatra tsy miankina izay tsy ho diso anjara ihany koa amin’izany tetik’asa izany.

Ireo nandray fitenenana dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ny tsirairay mba hanatanteraka ity tetik’asa ity sy mba hisitrahan’i Madagasikara tombontsoa amin’izany. Maro ireo sehatra voakasika toy ny varotra, ny fampiroboroboana ny indostria, ny tsenan’ny lamba, ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena (agri-business) sy ny vokatra “bio”, ny fifandraisan-davitra ary ny fizahan-tany.

Sary DCE

 

Vous aimerez aussi...