Famatsiana Vary Tsinjo: toeram-pivarotana 112 no nanaterana Vary Tsinjo afak’omaly

Milanja 50,75 Taonina ireo Vary Tsinjo notsinjaraina tamin’ny toeram-pivarotana 112 eto Antananarivo Renivohitra ny Sabotsy 14 Janoary 2023 lasa teo. Amidy amin’ny 650 Ar/kapoaka moa ireo vary ireo any amin’ireo fokontany 41 nahazo izany.

Mitohy araka izany ny ezaka ataon’ny MICC sy ny SPM amin’ny fitsinjovana ny mpanjifa, amin’ny fanatobahana ny Vary Tsinjo any amin’ireo tsena any anivon’ny fokontany hiatrehana ny fotoanan’ny maitso ahitra.

Sary

Vous aimerez aussi...