Fehin-kevitry ny fihaonana momba ny lavanila tany amin’ny faritra SAVA: Hosokafana ny amin’ny mpikambana hafa ny CNV, ho sokafana amin’ireo mpandraharaha hafa vonona hanondrana ny “agrément” ary tsy maintsy ampodiana ny 70% -n’ny vola azo amin’ny fanondranana lavanila

Tsy azo atao ny mandrava ny CNV (Filankevitra nasionalin’ny lavanila) satria rafitra ifotony. Nitoviana hevitra kosa anefa ny fisokafana bebe kokoa hanatevenana ny mpikambana indrindra fa ny tantsaha mpamboly.

Hiarahana mandinika ny hampiasana ny volan’ny CNV. Zava-dehibe ao anatin’izany ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra.

Ho sokafana amin’ireo mpandraharaha hividy lavanila eto an-toerana ary vonona hanondrana ny fanomezana alalana na ny « agrément ».

Momba ny famerana ny vidin’ny lavanila, amahana ny olana dia hampiharina ny 70-30 amin’ny famerenana vola vahiny. Tsy maintsy mampody ny 70% ireo mpandraharaha fa malalaka kosa izy ireo amin’ny fampiasana ny 30% ambiny.

Ny lafiny hafa ankoatr’ireo dia ho entina eo anoloan’ny Filankevitry ny Minisitra.

Hita araka izany ny marimaritra iraisana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny mpandraharahan’ny lavanila. Tonga tany amin’ny faritra SAVA ny mpikambana telo ao anatin’ny Governemanta omaly Alakamisy 23 Marsa 2023 nijery akaiky ny olan’ny lavanila. Nisy ny dinika teo amin’izy ireo sy ny avy amin’ny Vovonana SOS Vanille notarihin’Andriamatoa Jean Pierre Laisoa izay naneho ny fahafaham-pony.

Sary Nomena

 

Vous aimerez aussi...