Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny firenena mikambana: Niara-nientana ny roa tonta tamin’ny Jeritodika eo amin’ireo asa vita ho an’ny fampandrosoana lavitr’ezaka ara-toekarena

Tontosa androany 24 Marsa 2023 tetsy amin’ny MICC Anosy ny jeritodiky ny vondrona misahana ireo Laharam-pahamehana stratejika lah. 03 na PS3” ao anatin’ny UNSDCF (Drafitra aro-fenitra eo amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana maharitra 2021-2023). Ny Minisitra Edgard Razafindravahy moa ny Filohan’ity komity mitarika ny vondrona ity. Tanjona napetraky ny vondrona ny fanosehana ny famokarana, ny famoronana asa mendrika miteraka fifaninanana ara-toekarena.

Nisy ny fanolorana ireo ezaka vita hanatratrana izany tanjona iraisana izany.

Niantefa mivantana teny amin’ny vehivavy sy ny tanora ny ezaka natao rehetra manodidinana ny fandraharahana indrindra ireo orinasa madinika sy salantsalany manerana ny Nosy. Nisy ihany ko any ezaka mikasika ny fanomezan-danja ireo famokarana ifotony sy ireo fitrandrahana ireo vokatra ifotony izay niteraka asa ho an’ny mponina voakasika rehetra.

Tafiditra anatin’ny ezaka vita ihany ny fisian’ireo fampiasam-bola isan-karazany nataon’ny Sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana hampiroboroboana ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy.

Vous aimerez aussi...