TAOM-PIOTAZANA LAVANILA 2022-2023
Efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana fahazoana fankatoavana (demande d’agrément) ho an’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila. Anatin’ny filazàna navoakan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) ny fepetra rehetra mifandraika amin’izany.