Tapitra ny 100 andro voalohany

Tapitra ny 100 andro voalohany nitantanan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny firenena amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity. Ho fanehoana ireo asa vitan’ny minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro, dia ho zaraina amintsika eto ny tatitra, amin’ny alalan’ny horonan-tsary fohy isaky ny minisitera, mandritry ny andro vitsivitsy. Azo arahina ihany koa anefa izany eny amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy tsy miankina, manomboka anio ka hatramin’ny alatsinainy 15 aprily. Izany dia natao mba ho tatitra ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo.

Vous aimerez aussi...