Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Menabe, Itasy sy Boeny

?MENABE : Naraha-maso ny asan’ny Kaoperativa LOVASOA , Kaoperativa FANDROSOANA ary ny Kaoperativa FO MIRAY AVOTRA any amin’ny Fokontany Kirindy sy Andranome Kaominina Bemanonga, Distrikan’i Morondava ary Lambokely Kaominina Tsimafana, Distrikan’i Belo/Tsiribihina). Nojerena tamin’izany ireo boky fikirakira teo ampelatanan’izy ireo izay fenoin’ny mpitantana araka ny zava-misy. Nidina ifotony nanatanteraka ny fanaraha-maso ny lehiben’ny sampandrahan’ny Fampiroborobohana ny Indostria ao amin’ny DRICC Menabe niaraka tamin’ny solontenan’ny Tetikasa USAID Mikajy.

?ITASY : Ho tanterahina ny 19, 20, 21 May 2023 ao Ambatomirahavavy ny hetsika VITRINE ET BUSINESS D’ITASY. Tanjona ny fanehoana ny soa fanararaotra ara-barotra sy ny fisokafana amin’ny fandraharahana. Ho hita amin’izany ireo vokatra lehibe mampiavaka sy voaodina any amin’ny faritra Itasy, ny asan’ireo STD rehetra sy ny tetik’asa misy any amin’ity faritra ity. Nisy ny fivoriana fanomanana ny hetsika tamin’ny fiandohan’ny volana.

?BOENY : Nahitana fihenany 2000Ar hatramin´ny 5000Ar/gony ny vidin’ny vary nafarana eny amin’ny mpamongady ary 50Ar/kapoaka eny amin´ny mpaninjara. Toy izany koa ny siramamy nafarana sy ny lafarinina izay nidina 100Ar/kg ny vidiny farany ambany eny amin’ny mpaninjara. Marin-toerana kosa ny vidin´ny vary gasy sy ny menaka amin´ny tavoahangy. Zava-nisy teny amin´ireo tsena ao Mahajanga ny Alakamisy 13 Aprily 2023.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...