Fandraharahana: lany teny amin’ny Parlemanta ny Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara (Loi sur les investissements)

“Tsapa ary misongadina fa mifono fitiavan-tanindrazana tanteraka ity volavolan-dalàna nolaniana androany ity. Misy ny fanantenana”. Teny nentin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa nisaorana sy nankasitrahana ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny teknisiana miara-miasa aminy teo am-pamaranana ny fivoriana itambaram-be tetsy amin’ny Lapan’Anosikely androany Alakamisy 25 Mey 2023.

Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimieran-doholona ilay Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara (Loi sur les investissements).

“Vao lany eto amin’ny Antenimieran-doholona ity Lalàna momba ny fampiasam-bola ity dia miroso amin’ny Didim-panjakana fampiharana ny ekipa teknika rehetra”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy raha namaly fitenenana ny Loholon’i Madagasikara Jean André Ndremanjary izay naneho fa maika ny fampiharana ity Lalàna ity.

Ahitana Toko folo sy andininy 35 moa ny Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny fanjakana Malagasy. Tsy hisy intsony ny mizana tsindrian’ila fa hitovy avokoa ny erijika, na ho an’ny mpampiasa vola tera-tany na vahiny.

Efa nolanian’ireo Solombavambahoaka moa ity Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola ity nandritra ny fivoriana itambaram-be teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Alatsinainy 22 Mey 2023 lasa teo.

Vous aimerez aussi...