Salon international des acteurs economiques (SIAE) 2023: nifampizara traikefa ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena avy any Korea sy avy eto Madagasikara.

Anisan’ny hetsika manamarika ny faha-30 taonan’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’i Madagasikara sy Korea (1993-2023) ny fikaonan-dohan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha avy amin’ny tany roa tonta nandritra ny fanokafana ny SIAE teny amin’ny CCI Ivato. Tanjona lehibe ho tratrarina miaraka ny fampitomboana ireo indostria sy ny fandraharahana.

Nisolo tena ny Minisitra nanokatra ny fikaonan-doha omaly Alakamisy 1 Jona 2023 ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana. Nambarany fa vonona ary hanohana tanteraka izany fanamafisana ny fiaraha-mientana sy fifanaraham-piaraha-miasa « win-win » izany ny Minisitera ho fampandrosoana ny toekarena sy ho tombontsoan’ny mponina.

Nosinganiny manokana ny fananan’i Madagasikara sy famokarany harena samihafa izay ahafahana misarika mpampiasa vola isan-karazany. “Maro ny ezaka vitan’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana toy ny fanavaozana ny Lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara”, hoy ny Sekretera jeneraly. Tapaka nandritra ny fifampiresahana teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana (DPP) natao tamin’ny herinandro lasa ihany koa ny hamolavolana Lalàna mifehy ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria (Loi sur la programmation industrielle), izay antoka iray goavana eo amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara koa.

Vous aimerez aussi...