Fametrahana ny taninketsa indostrialy any amin’ireo distrika ao amin’ny faritra Vakinankaratra: niantso ny mponina hanome lanja ny vokatra voaodina eto an-toerana ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Nanamafy ny antso amin’ny hanjifana sy hiarovana ny entana vokarina eto an-toerana ny Minisitra Edgard Razafindravahy, androany Zoma 9 Jona 2023 tany Antsirabe, hampidinana ny vidin-javatra sady hitsinjovana ny tantsaha mpamokatra.

Izany indrindra koa no anisan’ny antony ametrahana ireo Taninketsa Indostrialy manerana ny Nosy ho fanatanterahana ny #Velirano 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Roa andro misesy no nanateran’ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria ireo ozinina fanodinam-bokatry ny tantsaha tany amin’ireo distrika samihafa ao anatin’ny faritra Vakinankaratra. Indostria fanodinana ronono sy mpamokatra fromazy ho an’ny distrikan’Ambatolampy satria mamoaka ronono 900 litatra isan’andro ity distrika ity ; fanodinana ovy ho lasa « chips » afaka mitelina ovy 100 kg isan’ora ho an’i Faratsiho sy Betafo ary ozinina fanodinana paoma hahazoana « cidre » ho an’Antsirabe.

« Tanteraka eto androany ny veliranon’ny filoham-pirenena », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany amin’ireo distrika nolalovany. Velom-panantenana koa ny tantsaha satria tsy hivarotra fatiantoka noho ny fahatongavan’ireo indostria fanodinam-bokatra ireo. Tsy ho tamorain’ny mpanelanelana intsony ny vidim-bokatra satria efa misy mpandray ny vokatra ary tsy ho simba fotsiny intsony koa ny vokatra satria efa misy mpividy. «Toy izany no ijerentsika ny tantsaha mpamboly ovy, mpamboly paoma sy mpamokatra ronono eto Vakinankaratra », hoy ny Minisitra nanoloana ireo tantsaha, ireo avy amin’ny fikambanana samihafa, ireo ben’ny tanàna sy mpandraharaha vory teo amin’ny tokotany malalaky ny Faritra Vakinankaratra androany. Fotoana nitodihany tamin’ireo mpandraharaha mpivarotra tsy hampiditra ny entana avy any ivelany fa handahatra kosa hisafidianan’ny mpanjifa ireo vokatra avy eto an-toerana izay ambany vidy lavitra raha ampiatahaina amin’ireo nafarana.

Vous aimerez aussi...