
BONGOLAVA: Nivondrona anaty kaoperativa koa ireo mpitrandraka volamena sy harena ankibon’ny tany. Tafatsangana ny Alakamisy 04 Aogositra 2022 tao Soamahamanina any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ny kaoperativa ANTRA misy azy ireo. Natomboka tamin’ny fampiofanana momba ny lalàna mifehy kaoperativa ary notohizana tamin’ny fandaniana ny sata sy fifidianana ny fotoana.

SOFIA: Amin’ity herinandro ity no hiroso amin’ny fitsarana ny fitsarana ny fitaovam-pandanjana ny any amin’ny Faritra Sofia. Nialohavan’ny fanamarinana sy fitsirihana ireo tsy nahavita nitsara ny fitaovany sy minia mampiasa vato tsy ara-dalàna tao amin’ireo tsena ao amin’ny tanànan’Antsohihy izany ny herinandro teo. Vokatra azo tamin’izay: 21 no isan’ny mizana tsy nitsara, 10 ireo vatomizana tsy ara-dalàna.

AMORON’I MANIA: Hatao any amin’ny distrikan’i Manandriana ny 17 ka hatramin’ny 21 Aogositra 2022 ho avy izao ny “Festival Voasary makirana”. Efa tafatsangana any an-toerana ny Fivondronan’ireo kaoperativan’ny mpamboly voasary makirana.