Fiaraha-miasa: Vonona hanampy amin’ny fanatanterahana ireo tetik’asa samihafa ny rafitry ny Firenena Mikambana

Ilaina ny miverina eny ifotony, apetraka ireo taninketsa indostrialy mitsinjo ny maha-olombelona. Navoitran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany ny 04 Aogositra 2022 lasa teo raha nandray ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, Issa Sanogo tao amin’ny biraony etsy Ambohidahy izy. Nanafatra fitaovana hananganana indostria madinika 75 izay ho tonga afaka iray volana ny Fanjakana amin’ny alalan’ny MICC, araka ny nambarany.
“Manosika antsika hampiroborobo ny famokarana eto an-toerana, indrindra fa ny famokarana ireo entana fanjifa efa mahazatra, ny tsy fahampiana nateraky ny ady any Okraina. Tokony ho araraotina izany”, hoy kosa ity diplomaty ity. Fomba fijery itovizany amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izay naka ohatra ny fanodinana voanjo ho lasa menaka any Ambatofinandrahana. 4000Ar isaky ny litatra ny masonkarenan’izany menaka izany raha 12000Ar no vidin’ny menaka afarana.
Niarahaba an’i Edgard Razafindravahy moa ny mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana tamin’ny nahavitan’ny fitokanana ny indostria mpamokatra siramamy ao Antanamifafy Mahajanga II tsy ela akory izany. Tafapetraka ity orinasa ity noho ny fitarihana ombam-pikirizana nataon’ny minisitra.
Anisan’ny mahaliana ny Rafitry ny Firenena Mikambana moa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nolazain’ny Minisitra nandritra ny fihaonana fa efa nanokatra fiaraha-midinika amin’ny sehatra tsy miankina ny MICC dia ny DPP (Dialogue Public Privé) izany. Intelo miantoana izao no niadiana hevitra momba ny angovo, ny vokatra ilaina andavanandro (PPN) ary ny mikasika ny mpiasa. “Soso-kevitro ny hametrahana anto-bola ahafahan’ny orinasa mamokatra angovo ho azy toy izay efa ataon’Ambatovy sy ny QMM. Manantena fanohanana avy aminareo ny tenako amin’izay”, hoy ny Minisitra Edgard Razaffindravahy.
Sary PNUD

Vous aimerez aussi...