Vaovaon’ny faritra AMORON’I MANIA sy ITASY: Mampanaja ny fepetra mifehy ny varotra ireo Fitaleavam-paritra (DRICC)

👉Amoron’i Mania

58 taonina ny Vary Tsinjo naparitaka manerana ny Faritra. Nisitraka izany vary amin’ny vidiny 500ar ny kapoaka izany avokoa ireo Distrika efatra (Ambositra, Fandriana, Ambatofinandrahana, Manandriana). Manaraka akaiky ny fanajàna ny vidiny eny an-tsena ankehitriny ny DRICC any an-toerana.

👉Itasy

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso eo amin’ny fitaovam-pandanjana ampiasan’ny mpivarotra eny an-tsena. Nidina teny an-tsena tao Soavinandriana ny ekipan’ny DRICC Itasy taorian’ny fitsirihana natao tany Ampefy sy Ampary vao tsy ela akory izay. Mizàna miisa 39 ary vato mizàna miisa 95 no tsy manaraka ny fenitra takiana ary nahitana tsy fahatomobanana.

Vous aimerez aussi...