Vaovao Songadina avy amin’ny Faritra BETSIBOKA – MELAKY – ANOSY

👉

BETSIBOKA- Distrikan’i Maevatanana

Liana amin’ny tetik’asa TANINKETSA INDOSTRIALY ireo mpandraharaha any an-toerana. Nisitraka fanentanana sy famelabelarana ireo mpandraharaha tao amin’ny Kaominina Andriba, Berivotra 5/5 ary Antanimbary any Maevatanana.

👉

MELAKY – Distrikan’i Maintirano

Niverina amin’ny laoniny ny vidin’ny legioma sy ny vary.
Nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpamongady legioma tao Maintirano ny ekipan’ny DRICC any an-toerana manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny vokatra. Nanaiky izy ireo ny hamerina ny vidin’ny legioma teo aloha. Mbola hitohy amin’ny fivoriana miaraka amin’ireo mpivarotra antsinjarany androany ny fifampiresahana hitsinjovana ny mpanjifa. Nisy ihany koa ny fidinana nataon’ny Fitaleavam-paritra Melaky teny anivon’ny toerana fitotoam-bary tao Maintirano hatrany. Tsikaritra fa tsy tokony hisy fiakarana eo amin’ny vidim-bary. Niverina tamin’ny vidiny teo aloha 700ar isaky ny kapoaka araka izany ny vidim-bary any an-toerana.

👉

ANÔSY

Vary Tsinjo 1200taonina no tsinjaraina ho an’ny Distrikan’Ambovombe, Tsihombe, Beloha ary Bekily. Na dia teo aza ny fahasimbàn’ny lalana ka nanano sarotra ny fahatongavan’ny entana any an-toerana dia tontosa foana ihany ny famatsiana ireo Distrika ireo.

Vous aimerez aussi...