TETIK’ASAN’NY FILOHAM-PIRENENA

Ny vondron’orinasa Al Jaber no hanatanteraka ny Tanamasoandro
Teo anatrehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny filohan’ny vondron’orinasa Al Jaber, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri no nanaovan-tsonia ny fifanarahana hanatanterahana ny fanorenana ny tanàna vaovao Tanamasoandro eny Imerintsiatosika. Ho an’ny andaniny malagasy dia ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy no nanao rango-pohy ny taratasy mifandraika amin’izany tany Abu Dhabi renivohitry ny Emira arabo mitambatra. Ny filoha lefitra Mohammed Obeid Al Jaber kosa no nisolo tena ny vondrona Al Jaber.
Ny vondron’orinasa Al Jaber moa no nanorina sy nanatanteraka ny fananganana ny tanan’i Dubaï. Ho an’ny Tanamasoandro kosa dia hampifanaraka ny fahaiza-manao sy traikefany manokana amin’ny zava-misy sy andavanandron’ny malagasy ny Al Jaber.
Hamorona asa an’arivony maro ny fanorenana ny tanàna Tanamasoandro. Ny 3 hatramin’ny 5%-n’ny mpiasa ihany no ho avy any ivelany fa ny ampahany betsaka dia malagasy, na manam-pahaizana manokana ireo na olon-tsotra.
Sary Fiadidiana ny Repoblika

Vous aimerez aussi...