Faritra Diana
Nitsirika ny vidin’entana teny an-tsena ny DRICC Diana sy ny Solombavam-bahoaka any an-toerana vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpivarotra ao Bazar Kely Antsiranana.
Efa miparitaka any an-toerana ny Vary Tsinjo 600ar ny kapoaka.
Nanome toro-marika amin’ny fitsinjovana ny mpiara-belona ny DRICC Diana manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana hampirindra ny tsena any ifotony.