Famatsiana vary: Vary Tsinjo milanja 21.000 tonnes no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay haparitaka manerana ny Nosy
Vary Tsinjo milanja 21.000 tonnes no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay haparitaka manerana ny Nosy. Misy 2.300 tonnes amin’ireo vary nafarana ireo no efa an-dalana hamatsy ny tsena eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ireo ny simenitra Lucky milanja 12.000 tonnes izay azo jifaina amin’ny vidiny mora.
Teny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny nijery ny fahatongavan’ireo entana ireo androany 1 febroary 2022. Efa an-dalana ihany koa ireo sambo mitondra vary 20 000 tonnes sy simenitra 9 000 tonnes hafa izay vinavinaina ho tonga amin’ny tapaky ny volana febroary. Hahatratra 60. 000 tonnes ny totalin’ny Vary Tsinjo kendrena ho tonga eto Madagasikara ao anatin’ny telo volana voalohan’ity taona 2022 ity. Haparitaka manerana ny Nosy izy ireo mba hifehezana ny vidim-bary .
Efa manara-maso ny fitsinjarana ireo entana ireo eny an-tsena ny Minisitera tompon’andraikitra ary tsy nahitana fiakarany ny vidim-bary ankehitriny. Nanome baiko moa ny Filoha Andry RAJOELINA ny hanafainganana ny fanafarana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro ireo, ary ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny rivo-doza dia misy amin’ireo vary nafarana no ho zaraina maimaim-poana amin’ireo faritra tena tra-doza