Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Boeny, Itasy, Melaky
Boeny
Nivory niaraka tamin’ireo mpanao mofo ao Mahajanga ny DRICC ny zoma lasa teo noho ny fiakaran’ny vidin’ny mofo ho lasa 700Ar. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fanatsarana ny kalitao mifanaraka amin’io vidin’ny mofo io. Tsiahivina fa ny taona 2018 no nahitana fiakarana farany ny vidin’ny mofo tany an-toerana. Hojerena manokana ireo mpanelanelana (livreur) tsy manara-dalàna izay manararotra.
Itasy
Nidina teny amin’ny Kaominina Analavory ny ekipan’ny DRICC nanohy ny fanaraha-maso tsy hisian’ny fanararaotana ara-barotra tsy ara-dalàna sy mba hametrahana fifaninana madio eo amin’ireo mpivarotra. Notanterahina tamin’izany koa ny fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana eny an-tsena. Niaraka tamin’ireo ekipa ireo ny mpanamboatra fitaovam-pandanjana nahazo fankatoavana avy ao Imerintsiatosika hanamboatra avy hatrany ireo fitaovana tsy manaraka ny fenitra na simba.
Melaky
Nanamarina mivantana ny vidim-bary tao amin’ny Distrika Maintirano, Antsalova sy Besalampy ny DRICC ka toy izao ny vokatr’izany :
Maintirano:
Vary gasy: 700 -750 ar/ kapoaka
Vary nafarana : 600 ar/kapoaka
Antsalova:
Vary gasy: 820 Ar / kapoaka.
Besalampy:
Besalampy Renivohitra: 800 Ar/ kapoaka