TSIROANOMANDIDY : Mizàna miisa 64 sy vato mizàna 100 mahery nogiazin’ny DRICC Bongolava
Nanao hetsika fanamarinana an’ireo fitaovam-pandrefesana ampiasaina eny an-tsena ao amin’ny distrikan’i TSIROANOMANDIDY ny ekipan’ny DRICC Bongolava omaly 01 febroary 2022. Nisava ihany koa ireo taratasy ara-barotra toy ny “vignettes de balance” hanaporofoana fa efa voatsara ara-dalàna ireo fitaovam-pandanjana ampiasan’ireo mpivarotra. Noraràna ny fampiasan’ny mpivarotra “fantsika” sy “vato karangana” ho enti-mandanja. Nambaran’ny Talem-paritra any an-toerana fa efa tonga ao amin’ny Faritra Bongolava ireo mpanamboatra fitaovam-pandanjana nahazo fankatoavana avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Ary nanentana ireo mpivarotra ny Fitaleavam-paritra hanatona ireo mpanamboatra fitaovam-pandanjana ireo raha tojo fahasimbana ny fitaovana ampiasany.
Hitohy hatrany mandritra ny fotoana maharitra ny hetsika ary holalovan’ny ekipan’ny DRICC avokoa ireo kaominina miisa 30 mandrafitra ny Faritra Bongolava.