TSENAN’ANDRAVOAHANGY: Manaja ary manaiky ny lamina napetraky ny MICC ireo mpivarotra

Nidina teny an-tsenan’Andravoahangy ny ekipa ao anatin’ny Foibem-draharaha misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) eto anivon’ny Minisitera. Nojerena tamin’izany ny kalitao sy ny vidin’entana ary ny fanajan’ireo mpivarotra ny fepetra takiana eo amin’ny sehatry ny varotra. Tsikaritra fa manaja tanteraka ireo lamina sy lalàna mifehy ara-barotra ny mpivarotra tany an-toerana. Vonona hatrany izy ireo hiara-hiasa amin’ny MICC hitsinjovana ny mpiara-belona.

Vous aimerez aussi...