TOAMASINA: Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Tsena Mora

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora tany Toamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady sy ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta, olom-boafidy ary tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana. Navoitran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, raha nandray fitenenana izy fa napetraky ny Filohan’ny Repoblika mba hifampitsinjovana ny Tsena Mora ka mila arovana. « Ny fahavalon’ny Tsena Mora dia ny halatra », hoy ny Minisitra androany tao an-tsenan’i Tanambao V raha nampitandrina izay mety hanana hevi-dratsy. Fongorina koa ny kolikoly, tontakely ary mpanararaotra.

Marihana fa hisokatra indroa isan-kerinandro ny Tsena Mora izay ahitana ny Vary Mora amin’ny vidiny 1000ariary ny kilao ary menaka amin’ny vidiny 5000ariary ny litatra.

Vous aimerez aussi...