Ho fitsinjovana ny mpanjifa:Entam-barotra sakafo sy fikojakojana tarehy no nodorana

Mpandraharaha ara-barotra samihafa no avy dia nangataka ny hamotehana ny entana tsy mahafeno fepetra ao aminy fa tsy niandry ny fisafoana ataon’ny mpanara-maso avy amin’ny DPC. Notanterahina ny 19 Mey 2022 ny fandoroana ireo entana ireo. Karazan-tsakafo sy kojakoja ampiasaina ho amin’ny hatsaran-tarehy ireto lasa lavenona ireto. Fangatahana famotehana entam-barotra voaray tamin’ity volana Mey ity izao novalian’ny minisitera izao.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...