Varotra fanondrana:Nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any Alaotra Mangoro
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 29 jolay 2022 teo ny taom-piotazana lavanila maitso sy fivarotana izany any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Ny orinasa SOA-HARI izay mpikarakara lavanila any amin’ny faritra hatramin’ny tamin’ny taona 2021 no an’isan’ny mpividy ny vokatr’ireo tantsaha. Voahaja ny vidin’ny kilaon’ny lavanila maitso tsy latsaky ny 75 000 Ar.
Tonga nanotrona ny lanonam-panokafana ny taom-piotazana ny solombavambahoaka, ireo manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana, ireo talem-paritra, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CNV sy CRV, ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana, Ben’ny Tanàna sy Sefo fokontany.
Sary DRICC