Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Boeny, Menabe sy Vakinankaratra.

Manomboka fantatra tsikelikely ny daty hanatanterahana ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra any anivon’ireo CCI (Antenimieran’ny Varotra sy Indostria)
👉BOENY: Ny 08 Oktobra 2022 no datim-pifidianana ho an’ny CCI Mahajanga araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana. Efa nisy moa ny fiantsoana ireo vondron’ny mpandraharaha ao Mahajanga nampahafantarana ny fepetra rehetra mifehy ny fifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana. Nisy koa ny fanentanana ifotony an’ireo mpandraharaha any Soalala, Mitsinjo, Namakia, Ambato Boeny ary Marovoay handray anjara amin’ny fifidianana.
👉MENABE: Tapaka tamin’ny zoma teo fa ny 12 Novambra no hanatanterahana ny fifidianana any amin’ireo distrika 5 any amin’ny Faritra Menabe. Nisokatra androany ka tsy hifarana raha tsy ny 02 Septambra ny fisoratana anarana ho mpifidy.
👉VAKINANKARATRA: Fihaonana tamin’ny Lehiben’ny Distrika sy Ben’ny Tanàna no nataon’ny Komity manokana ho fiomanana amin’ny fifidianana ny ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI. Nanararaotra ny fivoriana isam-bolana izy ireo tamin’ny Alarobia tao Antsirabe II nanatanterahana izany. Toy izany koa ny tao Ambatolampy ny Alakamisy izay nofaranana tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha ao an-toerana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...