Vaovao momba ny Fifidianana ireo ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ALAOTRA MANGORO: Ho tanterahina ny 03 Desambra 2022 ny fididianana izay ho mpikambana raikitra ao amin’ny CCI Alaotra Mangoro. Hisokatra ny 16 Aogositra izao ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Natao androany ny fivoriana faharoan’ny Komity manokana mikarakara ny fifidianana ka namoahana ny tetiandro. Manomboka araka izany ny fanentanana ireo mpandraharaha isakin’ny Distrika.
👉BONGOLAVA: Nihazo an’Ankadinondry-Sakay ny ekipa mpanomana ny fifidianana androany Talata 02 Aogositra 2022 hanatanteraka fanentanana ireo mpandraharaha hisoratra anaty lisi-pifidianana sy hirotsaka ho fidiana. Hitohy avy hatrany amin’ny fanisàna ireo mpisehatra amin’ny Varotra, Indostria sy Servisy izany hetsika izany. Ny tolakandro ihany dia nisy ny famoriana ireo mpandraharaha mba hanazavana ny tombontsoany amin’ny fidirana ho mpikambana CCI sy ireo fepetra mahakasika ny fifidianana.
👉VAKINANKARATRA: Tamin’ny mpanao gazety no nampahafantaran’ny Komity manokana mpikarakara fa ny 12 Novambra 2022 no hifidy ny mpikambana maharitra ao amin’ny CCI ny any Vakinankaratra. Efa nisokatra nanomboka ny 25 Jolay 2022 teo ny fisoratana anarana ho mpifidy ka tsy hifarana izany raha tsy ny 06 Septambra 2022.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...