Krizy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro:Vahaolana aroson’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny famokarana « éthanol »

Azo volena na aiza na aiza eto Madagasikara ny fary ilaina amin’ny famokarana « éthanol ». Mampihena ny mety ho fandaniana amin’ny fitaterana izany raha mitaha amin’ireo karazan’angovo hafa toy ny solitany sy ny vokatra azo avy aminy. Nanoloana an’Andriamatoa Boudaoui, solontenan’ny Fikambanan’ireo tany mpanondrana solitany (OPEC) eto Madagasikara sy ny ekipan’ny ONUDI no nanehoan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fahareseny lahatra amin’izany fomba fijery izany. Tonga nanazava ny tetik’asa Middle East Green Initiative tao amin’ny biraony ao Ambohidahy moa ireto vahiny ireto androany Alatsinainy 9 Mey 2022. Famatsiam-bola saodiana mitentina 35 tapitrisa dolara no hosoniavina eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny OPEC atsy ho atsy hanatanterahana ny tetik’asa. Anisan’ny tanjona ny famerenana sy fiarovana ny ala ary koa ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny solika ho fiarovana ny tontolo iainana. Hatao tany filamatra anatanterahana ny tetik’asa i Madagasikara noho izy ahitana endrika fiovaovan’ny toetr’andro no ianjadian’ny voka-dratsy ateraky ny rivo-doza.

Vous aimerez aussi...