Vaovaon’ny faritra Analanjirofo:Fohazina ny seha-pihariana kanely sy jirofo

Roa volana ( Avrily sy Mey) no natokana hamohazana ireo kaoperativa misehatra amin’ny fikarakarana sy famarotana kanely sy jirofo any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Tamin’ny herinandro lasa iny dia ny fanomezana aina ny kaoperativa “Lovasoa” any amin’ny kaominina Rantolava no natrehin’ny solontenan’ny Vondrona Eoropeana izay mpamatsy vola. Nisaoran’ity farany ny DRICC sy ny MICC amin’ny fiaraha-miasa. Hatreto dia fiofanana telo nahafahana nampifoha kaoperativa telo no tontosa. Tsy iza ireo fa ny kaoperativa “Vahatra” ao Ambodimanga II, “Lovasoa” ao Rantolava ary “Masoandro” ao Tanambao I. Kaoperativa efatra no mbola ho tanterahina.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...