Indostria madinika:Manomboka miroborobo ny famokarana savony

Nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin’ny mpitantana ny toeram-pamokarana savony iray ao Tsiroanomandidy ny DRICC Bongolava ny 29 Avrily 2022 lasa teo. Ny 3 Mey indray dia nampiofana sy nanangana ny kaoperativa “Mazavaloha” mpamokatra savony izay hiasa ao Mangarivotra Tsiroanomandidy. Tanjona ny hanosehana ity seha-pihariana ity sy hitsinjovana ny fanjifan’ny mponina.
Tany Ambositra indray ny Alarobia 4 Mey 2022 lasa teo dia nomen’ny DRICC Amoron’i Mania fiofanana ny kaoperativa “Tsizehena”. Maniry ny hanitatra ny famokarana savony ataony ny mpikambana satria fitaovana iray no anatanterahana asa tokony ho amin’ny fitaovana telo ankehitriny.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...