Tsena mora

sena MORA / SPM
Vary MORA / Vary TSINJO

🔹

Ny Tsena MORA dia tetikasan’Andriamatoa Filoha eo ambany fihahian’ny Fiadidian’ny Repoblika (Présidence de la République).

Ho fitsinjovana ireo tena sahirana dia mivarotra amin’ny Vidiny tena mirary dia mirary ireo entana (Vary, menaka, siramamy, savony…) ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavan’andro ny Tsena MORA.
Eny amin’ireo tsenam-pokontany efa voafaritra no hivarotany ary misokatra in-2 isankerinandro ireo toerana-pivarotana araka ny programme izay hampitaina ao amin’ny pejy Facebook « Tsena MORA ofisialy ». Efa misy fampilazàna mialoha koa eny amin’ireo fonkontany hitsinjaràna izany.
Araka ny toromarika nomen’Andriamatoan Filoha dia 1000 Ariary ny kilaon’ny Vary MORA eny amin’ny Tsena MORA ary voafetra ho 5 kilao isaky ny tokantrano no azo vidiana. Mitondra karam-pokontany rehefa mividy.

🔸

I SPM dia mamatsy (fournisseur) Vary ny Tsena MORA toy ny famatsiany Vary ireo Distributeurs rehetra manerana ny Nosy.

Amin’izao fotoana izao dia Vary mitondra ireo famantarana (marque) « Vary Tsinjo » no vary amidin’ny SPM.
Io izany no « Vary MORA » amidy amin’ny vidiny tena Mirary eny amin’ireo Tsena MORA manerana ny Nosy. Tsy i SPM no mandrindra sy mikirakira ny Tsena MORA fa ny asany dia mamatsy entana araka ny Bons de Commandes eo ampelan-tanany.

⚠️

I SPM koa dia manana ny andraikiny noho ny maha régulateur du marché azy.

Mba hiadiana amin’ireo endrika fanararaotana sy ireo mpijirika (spéculateurs) dia manaparitaka manerana ny Nosy ary mivarotra ny Vary Tsinjo amin’ny Vidiny ara-drariny (prix de référence) i SPM.
Araka ny mason-karena misy amin’ireo vary hafarana dia faritana ho 600 Ariary ankehitrio ny vidiny ara-drarin’ireo vary ireo amin’ny ankapobeny.
Tsy voafetra ny vary azon’ireo mpanjifa azony vidiana ary eny an-tsenakely (épiceries) no ahitany ny Vary Tsinjo.

Vous aimerez aussi...