Fitsidihana ny faritra Atsinanana

Ho tohin’ny fitsidihana isam-paritra dia nidina tany amin’ny Faritra Atsinanana tany Toamasina ny delegasionan’ny MICA notarihin-dRamatoa Minisitra Lantosoa RAKOTOMALALA ny 3 sy 4 Oktobra 2019 lasa teo. Nandritra ny fidinana tany amin’ny faritra Atsinanana dia nitsidika ny orinasa SOPRAL ihany koa ny MICA. Ity orinasa ity moa dia misehatra manokana amin’ny famokarana zava-manitra (na épices) ary orinasa mendrika ny atao ohatra eo amin’ny lafin’ny fikarohana, ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ary ny fitantanana ireo mpiasa. Ny famindrana fahalalana araka izany dia tadifitra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny orinasa SOPRAL izay mampahafantatra ny zava-manitra (épices) vokarin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manohy hatrany ny fanitarana ny tetikasany ny orisana izay mivelatra kokoa ary miompana mankany amin’ny lafiny ara-tsosialy ho an’ny tombotsoan’ny mponina any Atsinanana ary koa ny mpanjifa amin’ny ankapobeny.

Vous aimerez aussi...