ANTSO HO AMIN’NY FIFAMPITSINJOVANA

Tsikaritra tato ho ato ny fisian’ny fanararaotana amin’ny vidin-javatra ataon’ny mpivarotra amin’ny toerana sasantsasany. Fihetsika tsy mendrika loatra izany indrindra amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao noho ny toetr’andro ratsy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza. Amin’izao indrindra no tokony anehoantsika fa trano atsimo sy avaratra ny mpandraharaha sy mpivarotra, andaniny, ary ny mpanjifa, ankilany, ka izay tsy mahalen-kialofana.

Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana dia miantso ireo mety ho tafalatsaka tamin’ny fanararaotana mba hiala amin’izany lalan-diso izany ka hamerina ny vidin-javatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny laoniny sy ho ara-drariny.
Tianay eto anivon’ny Minisitera koa ny mampahafantatra fa ampy ny tahiry hiatrehana izao toetr’andro ratsy izao sy ny ankoatr’izay ary hitohy hatrany ny fahatongavan’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro hamatsiana ny faritra samihafa manerana ny nosy. Vao omaly no omaly no tonga tany Ambositra ny Vary Tsinjo anjaran’ny Faritra Amorin’Imania; Talohan’izay dia nigadona tao Vohémar ny Vary Tsinjo ho an’ny Faritra Diana.
Tsy ela akory izay fa vao tamin’ny Talata 1 Febroary 2022 lasa teo no nomarihina tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina ny fanokafana indray ny Tsena Mora ary efa nisitraka izany ny mponina amin’ny tanàna maro manerana an’i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Miezaka hatrany ny fitondram-panjakana mitondra vahaolana amin’ny fahasahirana mianjady amin’ny vahoaka malagasy.

📢 Eto am-pamaranana dia mirary antsika rehetra hahatohitra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ka ho tafavoaka soa aman-tsara tsy hitondra takaitra.

Vous aimerez aussi...