Entana lany daty milanja 3 taonina nopotehina

Marin-toerana ary voahaja tsara ireo vidin’entana ara-drariny vokatr’ireo fanaraha-maso ara-barotra tsy ankianto tontosain’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa sy ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny. Misy koa anefa ny fisian’ny entana lany daty efa tsy azo hohanina sy ampiasana intsony izay giazina avy hatrany ary potehina. Entana milanja 3 taonina no nopotehina niarahan’ny DPC tamin’ny Kaominina Tanjombato izay nahitana vato mamy, biscuits, zava-pisotro isan-karazany, voatabia amin’ny boaty,lalovay ary chips.
Isan’ny laharam-pahamehana mandavan-taona eto anivon’ny Minisitera ny fiarovana ny mpanjifa manoloana ny fanapoizinana ara-tsakafo sy ny fisian’ny entana manaraka ny fenitra rehetra ara-kalitao eny an-tsena.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...