Fampiharana ny fepetra famerana ny vidin’entana:Miara-mientana amin’ny MICC ireo tompon’andraikitry ny Tanàna sy ny tsena
Tsy maintsy atao ny fanaparitahana ireo vidy farany ambony amin’ireo entana ilaina andavanandro eny amin’ireo renin-tsena sy zana-tsena manerana ny Tanànan’Antananarivo. Mba hanamorana izany dia nihaona tamin’ny Talen’ny tsena eto amin’ny CUA ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) omaly Alarobia 13 Avrily 2022. Nohamafisina fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo lehiben’ny tsena amin’ny fampanajàna ireo fepetra noraisina. Mbola nihazo an’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo koa ny ekipan’ny DPC io omaly io. Taorian’ny fihaonana tamin’ny Ben’ny Tanàna dia niara-nidina nanabe ny mpamongady sy ny mpaninjara eny an-toerana ny roa tonta mikasika ny famerana ny vidin’entana.
Sary DPC