Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Bongolava, Atsimo Atsinanana ary Boeny

👉BONGOLAVA : Novoriana ireo mpandraharaha. Nampiantso ireo mpandraharaha rehetra misehatra amin’ny Varotra sy ny Indostria any an-toerana ny Fitaleavam-paritra (DRICC) omaly 12 avrily 2022. Nampahafantarina azy ireo ny tombontsoa azony amin’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria. Fotoana iray ihany koa nitondran’ny Talem-paritra fanazavana bebe kokoa mikasika ny paikady ho entina hampiharana ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro ho fitsinjovana ny mpiara-belona araka ny toromariky ny Minisitra Edgard Razafindravahy.

👉BOENY : Kaoperativa 66 no tafatsangana.

Mitohy hatrany ny fanohanana ara-teknika sy tantsoroka ho an’ireo kaoperativa any amin’ny faritra izay fanoitra goavana amin’ny fametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY. Ho an’ny Faritra Boeny manokana dia kaoperativa miisa 66 no tafatsangana tao amin’ny Distrikan’i Marovoay sy Ambato- boeny nandritra ny taona 2021 lasa teo. Omaly 12 avrily 2022 dia notolorana taratasim-piraketana ireo mpikambana 57 mivondrona ao anatin’ny kaoperativa Avotra Boeny misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana. Tsara ny manamarika fa 80%-n’ny famokarana sy ny fampandrosoana ara-toekarena no miainga avy eny ifotony.

👉ATSIMO ATSINANANA : Omen-danja ny fambolena dipoavatra mena.

Nijery ny fambolena dipoavatra mena (Baie rose) tany amin’ny kaominina ambanivohitra Fenoambany sy Masianaka, Distrika Vangaindrano ny Komity isam-paritra misahana ny fandinihana ny fotoana famelarana (Comité Régionale de l’Observation des Floraisons) tamin’iny herinandro lasa iny. Teny anivon’ny Kaoperativa misehatra amin’ny fambolena ity vokatra ity no nanatanterahana ny asa. Tanjona napetraka tamin’izany fidinana izany ny ho famaritana ny daty fanokafana ny famarotana ny dipoavatra mena amin’ity taona ity.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...