Taninketsa indostrialy: Efa any an-toerana ary vita andrana ara-teknika ny milina hanodina ny Voanjo ho lasa menaka any Ambatofinandrahana

Miroso hatrany ny asa rehetra amin’ny fametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY mpamokatra mena-boanjo any amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana. Nanatitra ireo milina ilaina amin’izany ho fanohanana ny kaoperativa mpamokatra any an-toerana ny delegasiona avy eto amin’ny MICC notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Indostria, Gaëtan RAMINDO niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritra (DRICC). Tafapetraka ary natao ny 11 avrily 2022 lasa teo tany Ambatofinandrahana ihany ny andrana ara-teknika rehetra. Ankehitriny efa tomombana avokoa ireo milina fanodinana voanjo ho lasa menaka hamatsiana ny mponina. Marihana fa afaka hamokatra mena-boanjo manodidina ny 3,5 taonina isan’andro ireo milina ireo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...