Nidina tampoka teny an-tsena ny Minisitra

Voahaja ny fepetra famerana ny vidin’entana farany ambony teny Mahamasina, Anosibe ary Tanjombato
“Misaotra anareo fa mahafinaritra ny mahita hoe mifanampy isika mba hitsinjovana ireo mpanjifa”. Tenin’ny minisitra Edgard Razafindravahy izany androany 12 Avrily 2022 maraina, nanoloana ny mpivarotra sy ny avy amin’ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsikaritra fa efa mipetraka avokoa ireo famerana ny vidin’entana ireo eny amin’ny mpivarotra sy mpamongady na teny Mahamasina izany, na teny Anosibe na teny Tanjombato. Raha ny menaka manokana dia hita fa latsaky ny vidiny voafetra ny hamarotan’ireo mpivarotra azy, ahitana hatramin’ny 9.300Ar ny tavoahangy amin’izany. Raha ny vary indray dia voahaja hatrany ny vidiny ambony indrindra 2.200Ar ny kilao ho an’ny vary nafarana eny amin’ny mpaninjara.
Tsy nisalasala moa Ramatoa Delphine Juliette, mpamongady eny Anosibe, raha nilaza fa araka ny nifanarahana ny vidin’ireo entana eo amin’ny tsenany, misy ary ny nalatsaka.
« Hiarahantsika mahita fa efa voafehy tsara ny vidin’ny vary eto Madagasikara raha jerena ny tao anatin’izay fito volana izay. Efa hanomboka hiakatra ihany koa ny vokatra eto an-toerana rehetra ka hitondra fihenam-bidy eo amin’ny vary izany. Miezaka ny ekipan’ny Minisitera hanara-maso ny fampiharana ny fepetra ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Tsy mitsahatra ihany koa ny tompon’andraikitra eto amin’ny minisitera manome fanabeazana sy fanentanana hatrany ireo mpandraharaha ara-barotra mikasika ny fampiharana ny fepetra napetraka», hoy ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana.
Nanome toky ny Ben’ny tanànan’i Tanjombato fa hanohy ny fanentanana ny mpivarotra hanaja ny fepetra, hanatanteraka ny toromarika ary hanao tatitra amin’ny Minisitera raha ilaina izany.

Vous aimerez aussi...