Famerana ny vidin’entana farany ambony:Nomena fampitandremana ireo mpivarotra tsy nanaja ny fepetra teny Bemasoandro Itaosy
Rehefa nahazo fampitandremana dia nanitsy avy hatrany ny vidin’entany ireo mpivarotra naningana teny Bemasoandro Itaosy. Ny ankamaroany kosa dia nanaja ny fepetra. Nidina nanara-maso ny fampiharana ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra amin’ireo PPN teny an-toerana ny ekipan’ny DPC omaly Talata 10 Mey 2022. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy, ny sefo fokontany sy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa nampitana ny lalan-tsain’ny famerana ny vidin’entana sy ny tokony hifanomezan-tanana amin’ny fampanajana izany.
Sary DPC